Notanterahina teny Tsaramandroso Fianarantsoa ny Alarobia 08 Desambra lasa teo ny fihofanana izay niarahan’ny zandary, ny Délégué ary ireo mpitsabo biby rehetra teo an-toerana, mikasika ireo lalàna tokony hampiharina mba hiadiana amin’ny famotsiana omby na “Blanchissement des Bovidés”.
Anisan’ny votoatin-dresaka tamin’izany fihofanana izany ny fitakiana amin’ny fomba hentitra ny FIB na “Fiche Individuelle des Bovidés” ho an’ireo omby hovonoina sy amidy. Etsy an-daniny koa ny fandraiketana an-tsoratra ny tsenan’omby ary ny kara-bakisiny.
Marihina fa natrehan’ny Komandin’ny fampiadidian’ny zandarimariam-pirenena sy ny Préfet izany hetsika izany.