FAHASALAMANA – PIED BOT NA MIVADITONGOTRA
PIED BOT NA MIVADI-TONGOTRA
Tsy fahatomombanana avy any ambohoka ny mivadi-tongotra ao amin’ny zaza izay tokony ho hita dieny eo mpahaterahana : miforitra miditra ny felatongotra ary mitondra ny faladia hitodika any ambony .Mety ho tongotra iray ihany no tratran’io mivadi-tongotra io nefa mety ho izy roa koa.
Miteraka fahasembanana ny mivadi-tongotra raha toa ka tsy voatsabo ara-potoana sy ara-dalana : 03 andro aorianan’ny nahaterahanay dia efa afaka raisina an-tanana ny zaza mivadi-tongotra .
ZAZALAHY NO MARO VOAN’IO MIVADI-TONOGTRA IO
Hatreto dia tsy fantatra mazava ny antony mahatonga ny mivadi-tongotra ary matetika dia ny zazalahy no maro kokoa ahitananazy nohon’ny zazavavy
Eto Madagasikara : amin’ny zaza 500 teraka dia mety ho mivadi-tongotra ny 01 amin’ireo
MISY FOMBA FITSABOANA AZY NY MIVADI-TONGOTRA
Isan’ny fomba fitsaboana nosafidian’i Madagasikara ny fomban’i Dr PONSETI nohon’ny vokatra tsara efa azo notsapain-tanana tamin’ny fampiasana azy .
Misy dingana telo ny Méthode Ponseti dia
-ny fametrahana plâtre mifanesy
-ny fanamboarana voditongotra (ténotomie) ary ny fampiasana fitaovana manokana hitazonana ny tongotra voahitsy.
HO ANTSIKA ETO FIANARANTSOA
Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Mnisteran’ny Fahasalambahoaka sy ny CHU Tambohobe amin’ny Fikambanana MIRACLEFEET dia misy ny fandraisana antanana ireo zaza mivadi-tongotra na pied bot ka afaka manatona ny service appareillage et rééducation na SAR eo ampitan’ny Pharmacie ny Hopitaly Tambohobe izay maniry hisitraka izany fitsaboana izany na haka ny andinindininy fa maimaimpoana ny kojakoja rehetra momba ny fitsaboana